Inona marina ny Miara Manorina ?

Ny Miara-Manorina dia ambohipihaonan'ny Malagasy rehetra manana fahalalana, fahendrena na traikefa hozaraina amin'ny mpiray tanindrazana rehetra, na aty an-toerana, na any ivelany mba hoentina mampivoatra:  ny isam-batan’olona sy ireo Soa Iombonana (ohatra: fianakaviana, toeram-piasana, fikambanana, seha-pihariana, faritra, rafi-panjakàna, firenena).

Ny tanjona

Ny tanjona

Ireto avy ireo tanjona fototra ifantohan’ny Miara-Manorina:

  1. Hanainga ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra, na iza na iza, na aiza na aiza, hiara-hanorina indray ny tanindrazana iombonana.
  2. Hitondra fomba fijery sy hevitra mifameno ary hanome vahaolana mahomby, fohy ezaka, antomotr'ezaka sy lavitr'ezaka.
  3. Hitrandraka, hamoha, hizara ary hivoy ireo toe-tsaina sy toe-panahy Malagasy tokony hananan’ny tsirairay.
  4. Hametraka vina sy drafitra lavitr’ezaka ho an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.

Ny olombelona no harena voalohany

  • Manam-pahalalana

    Maro ny Malagasy manerana izao tontolo izao no manam-pahaizana sy mamiratra amin’ny sehatra misy azy tsirairay.

  • Manam-pahalalàna

    Ao ny Malagasy manana ny fahendrena izay nolovaina avy amin’ireo Ray aman-dreny tany aloha.

  • Tanora

    Ary indrindra indrindra, dia tombony ho an'i Madagasikara ny fananana ireo tanora izay mbola ao anatin’ny hery sady maro an’isa eto Madagasikara.

Noho izany, resy lahatra ny Miara-Manorina fa miainga amin’ny olombelona sy ny isam-batan’olona ny vahaolana amoahana an’i Madagasikara ao anatin’izao kizo lalina izao. Ary ny atao hoe olombelona dia ny fitambaran’ny vatana, saina ary fanahy.